Tsisy hahakosoka ny fandalovanao. 09/11/2009
Fitia voarara, fitia tsy anjara, Moa fitia adala, no nosoratan’ny fontsika na dia maro mpahalala ? Tsy mba nisy fikasana, tsisy voady nilokàna kanefa isika roa, dia nianoka tokoa ireo isanandrontsika ; tsy antsika ny ampitso. “Ianao no adala, hoy Izy, …ny rehetra anie nandalo, izato ianao dia toa tamana ho lany andro, ho lany zara” Saingy nihomehezantsika fa nazava fa tsy mora ho an’ny maso tsy antsika ny mandrefy ny halalin’ito mba fitiavantsika diso vala, nibirioka. Izany isika vaky hehy nahatalanjona ireo namana, na rehefa izaho tsy hitahita raha sendra disadisa ; tsy niafina izy ireny, nampangain’ ny endrikao. Irony andro lanintsika tsy miahy izay ampitso tanivon’ny tontolontsika, sombim-piainana notazana teny an-tsefatsefan-dravina. “Ianao no adala, hoy Izy, fa ny rehetra anie nandalo…” Fa ireo andro maro nifanesy tsy hita dia toa lasa taona. Dia nisy koa ireo nandalo fa ianao toa teo hatrany. Saingy tonga ny andro iray nanirahan’ny fiainana ahy hita rano, hiova lafy, handranto izay hahasoa Taona firy no voadia ? … Sivy taona raha atontaly ! Fa ny tsiky sy fitiavanao nanjohy tsy nisy fiafarany, ka na ranomasina aza tsy nahasakana izany. “Ianao no adala, hoy Izy, ho lany andro, ho lany zara…” Dia iny tonga ny andro iray nanao haody ilay anjara, dia voatsiahy teo lahy ilay vazivazinao mazàna : “hotsofin-drano ianao raha sehatra olon-tena tia anao ka hanadinoanao ahy, fa izay rehetra hatramizao tsy nahaovoka niatrika ny fitomban-dahinao.” Dia tànanao ny teninao, izay no naha-ianao anao tsy nahafoizako anao. Taona maro aty aoriana, impiry aho nanontany tena : Moa tsapany va re fa sambatra aho, araka ny faniriany manana olon-tia sy tiana ? Impiry aho nanontany tena : Manao ahoana lahy ianao, nandritra izay dimy amby folo taona tsy nahenoako vaovao ? Kanjo vao tsy ela akory izay, nofiko aho namangy anao, toy ny tamin’ny fahizay Nofiko ianao nandroso, nipetraka nanoloana ahy… ry lanitra ô,…ilay tsikinao ! ilay nahababo ahy ! io mamiratra anoloako, mitsiky koa ny masonao mibanjina ahy. Fa iray minitra fotsiny ihany dia nivadika ilay nofy ; fa ny hazavan’ny endrikao tena tsy afaka imasoko nony iny aho nifoha. “Misy zava-tiany ambara angamba” hoy aho miteny irery, “Mahatsiaro ahy ve izy sa sao sanatria avelo ?” Soa fa nisy fandrosoana… Ka izay mitovy anarana aminao dia nokatsahiko avokoa …nidobodoboka ny foko, injao, tojo anarana sy endrika tsisy hafa aminao Dia hoy indray aho anakampo: “moa izao nalahatrao, satria efa fantatrao fa tsy hiverin-dàlana aho ?” Dia natoniko hohatsafaina Moa ve Izy niahiahy ? Asa re ! Eny angamba. Dia toa azoko an-tsaina fa izay ianao izay, lokilokin’ny hehy indray mahita ahy misahisahy. Kanjo, kanjo, injay ary ilay nahiako : ilay endrikao nazava loatra, …hay ianao any ankoatra !!! Izay no valin’ny fanontaniako. “Indrisy, hoy Izy, tsy eto intsony izy, na dia satriko aza, satria haiko fa hahafaly azy, raha hotantaraiko aminy izao resatsika izao” (ehhh, raha mba fantatrao !) “Eny, hoy aho, raha teo izy (mety ho niontana ny fony amin’ny segondra iray hanononanao ny anarako, saingy izy tsy ho gaga fa hilamina sy tony) ka hiaraka hitsiky ireo masony sy molony raha notantarainao azy izao resatsika izao.” Dia nitsiky teo ny molotro, ny ranomasoko nijojo, nefa ireo hehintsika toa nanako tao am-poko. Fa nitamberina indrindra ka nampionona avy hatrany, atao ahoana ny hanadino, impiry ianao nianiana hoe : “tsy mba hisy hahakosoka fa tampisaka miraikitra sy voasikotra amin’ny fiainako ny fandalovanao“. _____________________________________ Ito koa ilay hira toa nisolovava, nataoko an-taratasy sy nosoniaviko tamin’ny anaram-bositro nosoratako nivadika Dia notehirizinao, tambonin’ny birao niaraka tamin’ny asanao. Hadalana, hoy isika, homehy ny hitory ny fitia ka hanitsa-bolokano sy handrehi-dranomasina ! Kanefa akory atao, tsy mifankaiza, hoy aho amin'ny momba ahy sy ianao CommentsHanta Rakaroka Sat, 12 Sep 2009 13:52:09 Ventso tokoa 'zany an! Fahamarinana Maharitra Mon, 14 Sep 2009 12:06:19 Izay akia vao tafiditra sy afaka mametraka dia-penina virtoaly !Eny satry hanoratra lava be hanehoana ilay fankasitrahana ilay Aingam-panahy tsara be ! Leave a Reply |