"Bonbon gasy", porofom-pitiavako anao...

 
 
 
Hanitra et LSNT. 02/28/2008
 

J'ai repris aujourd'hui 4 mars l'editing de ce post, car cette chanson, j'aimerais bien la dédier à ma chère maintikely-mpiondana-Lolo-sy-ny-tariny  pour finir en beauté notre "Jorery sy Lolo 2008" sur le net, où l'on a vu une participation massive des amis  bloggers malgaches éparpillés dans le monde en signe de solidarité à celle qui a malheureusement  manqué involontairement à un des évènements de l'année.

AOKA IZAY

Misy voalohany misy farany

Ny hira izay fatao
Ka indro ry tiana ny ahy
No faranako eto izao
Androany avelao aho hody
Efa manina aho
Tsy mahita hira intsony
Izay mety atolotra anao

Mangovitra ny tànako
Efa reraka tokoa
Raha mbola hanohy eto ihany
Ny feoko tsy haharaka izany
Androany avelao aho hody
Efa manina aho
Tsy mahita hira intsony
Izay mety handrotsiana anao


Raha ny fitiavako ry tiana

Tsy ho tapitra akory
Ny any ivelany efa mangina
Avelao koa aho mba hatory
Androany avelao aho hody
Efa manina aho
Tsy maha-hira eto intsony
Veloma no atao.



Et ceci pour remercier Laza
pour le mp3 de "Aoka izay".


 
 

"Zakarandahy"

Hafahafa ho'aho
Ny tontolo hisiany
Zakarandahy
Mipoapoaka
Fofon-tany mando koa
Mba tiany

Rehefa volana oktobra