SDF. 03/04/2008
 

Ceci étant une des colonnes sonores de mes vacances au pays en 1993... ah le bon vieux temps !

Pà bizoin pa'lé !

Hariva ny andro tamin' izay
Tanaty efitrano kely iray
Izaho sy ianao toa nangingina
Nefa koa toa sondriana

Nifampijery aloha
Nilaza ny ao am-po
Toa tiako ianao, ianao tia ahy
Tsy misy ny mampanahy

Isika dia sahy tamin' izay
Fa vonona hifandray
Hifanome aina, hifanome fo
Ho lafatra tokoa
Natopatopanao, 'lay volo saritakao
Dia niantso ianao, nikimpy ianao
aia ia ia ia  ia

Toa maizina avokoa
Ny ankoatra antsika teo
Fa ny hafanana no hazavana
Nandrakotra antsika roa
Dia lasa toa tsy tana
Toa tsisy fiafarana
Na izaho, na indry
Difotry ny fitia

Toa tsy eto an-tany
Fa any an-danitra any
Toa mandihy mifankatia
Ny anjely aza mankafy
Ny sentosentonao
Sy ny antsoantsonao
Mitalaho mitaraina
aia ia ia ia ia

Isika dia sahy tamin' izay
Fa vonona hifandray
Hifanome aina, hifanome fo
Ho lafatra tokoa
Natopatopanao, 'lay volo saritakao
Dia niantso ianao, nikimpy ianao
aia ia ia ia  ia

Toa tsy eto an-tany
Fa any an-danitra any
Toa mandihy mifankatia
Ny anjely aza mankafy
Ny sentosentonao
Sy ny antsoantsonao
Mitalaho mitaraina
aia ia ia ia ia


Pà bizoin pa'lé
Pà bizoin pa'lé